karazan-tsakafo manokana sahaza ny sokajin-drà tsirairay. Tsara ho fantatra indrindra izany, raha te-hampihena tena. Nandrafitra ny sakafo mety sy ireo tokony hofadiana izy, miankina amin’ny sokajin-drà. Ireto avy izany :
Sokajy O
Raha maniry hampihena tena ny olona manana ity sokajin-drà ity dia ireto avy no tokony hofadiana : ny vokatra vita amin’ny ronono, ny kobam-barim-bazaha, ny katsaka, ny voasary, ny voatabia, ny baranjely, ny ovy, ny « lentilles » ary ny tsaramaso maina. Sakafo be proteina kosa no tokony homen’izy ireo vahana, toy ny hena mena sy ny trondro.
Sokajy A
Tokony hihinana legioma betsaka ny olona manana ity sokajin-drà ity, raha te hihena haingana. Mety aminy tsara koa ny voamaina. Tokony hofadiany kosa ny hena mena, ny ovy, ny saonjo, ny laisoa, ny voatabia ary ny voasary.
Sokajy B
Tokony hiovaova kosa ny sakafon’ny olona manana ity sokajin-drà ity. Ity vondrona ity irery no afaka ny mihinana vokatra vita amin’ny ronono matetika sy voasary. Tokony hofadiany kosa ny akoho, ny varim-bazaha ary ny katsaka.
Sokajy AB
Afaka misakafo miovaova koa ny olona manana ity sokajin-drà AB ity, fa ny tena tokony homeny vahana dia ny henan’ondry, ny henam-bitro ary ny henam-borontsiloza. Tokony tsy hihinana akoho sy voasary kosa izy ireo.
Nelly-Bri
Vitsy kokoa ireo olona no manana tosi-drà midina, raha oharina amin’ireo manana tosi-drà miakatra.
Arakaraky ny fomba hikarakarana ny akondro manta ny vokatsoa entiny amin’ny fahasalamana.
Azo lazaina ho misy tosi-dra ny olona iray rehefa hita fa miakatra mandritra ny fotoana maharitra io tosi-dra io.
Fanontaniana mety hipetraka amin’ireo reny rehetra ny hoe aorian’ny fiterahana, rahoviana vao afaka mitoe-jaza indray ? Ireto ny valin’izany.
Fotoana fahavokaran’ny manga izao. Mitondra vokatsoa ho an’ny fahasalamana
Miankina amin’ny fomba handrahoana ny sakafo ny hitazonan’ity farany ny otrikaina entiny.