tia tanindrazana

Parution du Lundi, 25 Janvier 2021


tia tanindrazana

Femme

Jejoo : tokony hanaiky ny vadiny amin'ny zava-drehetra ve ny vehivavy

Safidy Mialinjanahary : Samy manana ny fisainany sy fiheviny avokoa eny na ny samy vehivavy na ny samy lehilahy.

13-janv-2021

Sample post image

 

 Samy niainga tamin'ny tokantrano 2 samihafa, fitaizana samihafa ihany koa no nitambatra ho mpivady. Raha ny hevitro manokana aloha dia tokony apetraka ho lohan'ny tokantrano ny lehilahy araka ny fandaminan'ilay Nahary fa tsy mpanao didy jadona kosa anefa. Ary ho vady andefomandry ny vehivavy, namana no ravaky ny tokantrano ihany koa. Tokony ifampizarana sy iaraha-mitondra ny zava miseho rehetra na tsara io na ratsy. Tsy voatery hanaiky izay lazain'ny vadiny ny vehivavy rehefa zavatra efa hitany fa mety hiteraka vokadratsy aminy, amin'ny zanany, amin'ny fiainantokantrano mihintsy. Tokony sahy manda ny vehivavy noho izany fa kosa mila mahay manda amin'ny fomba firesaka sy fihetsika voasaina tsy manindrona, tsy mandratra ny vady ka hahatonga any amin’ny  ady na herisetra. Mino aho fa raha ampilaminana sy ampahendrena ny fomba itenenana izany mety tsy hampisendoatra na hahatezitra ny roa tonta. Isika vehivavy mantsy mahery fiteny izay. Mila mifampihaino, mifampiresaka foana vao manapa-kevitra satria mila fifanampiana ny fiainana indrindra amin'izao vanimpotoana iainantsika izao.

Dans la même rubrique

Card image cap
Pr Vololontiana, Denise, Nellie A., Mialy R. Vehivavy mendriky ny 2020
29-déc-2020

Navesatra tamin’ny rehetra ity taona 2020 madiva hivalona ity noho ny valanaretina Covid-19. Niato avokoa ny hetsika rehetra,

Card image cap
Jejoo : Inona ny tanjona tokony hananan’ny tovovavy?
09-déc-2020

Kanto Andriamahery : Vitaina hatramin’ny farany ny fianarana raha mbola

Card image cap
Hatraiza no fetran’ny fandeferana ?
02-déc-2020

Ratianarivony Regina Johannah, mpilalao sarimihetsika : Marina fa ny

Card image cap
Ianao ve mino fa efa misy olona voatondro ho an’ny tsirairay?
04-nov-2020

Miorhasina Lorah : Eny, mino aho fa misy olona voatondro ho an'ny olombelona tsirairay.

Card image cap
Tokony hatao tanjona ve ny fanambadiana sa lalam-piainana ihany ?
28-oct-2020

Vonjy Razafitsifa : Ny ahy aloha tsy tanjoko ilay izy fa lalam-piainana. Tahaka ny hoe :te ho any Tamatave aho dia tsy maintsy mandalo an’i Moramanga. Misy kosa vehivavy manana « destination » hafa dia làlana tsy misy fanambadiana no alehany, tahaka ny masera ohatra.

Card image cap
CDF Ahoana ny hevitrao momba ny mpifankatia mifanalavitra?
21-oct-2020

Tiasoa: Toy ny zava-drehetra, misy lafitsarany dia misy lafiratsiny ny "relation à distance". Ny fahitako azy: ny lafitsarany dia manana fotoana kokoa ho an'ny tenany ny tsirairay,

Voir plus