tia tanindrazana

Parution du Lundi, 25 Janvier 2021


tia tanindrazana

Coiffure

Mandoko volo amin’ny kafe, betiravy…

Ahitana singa afaka mandoko ny volo ao anatin’ny zava-maniry sasantsasany, toy ny betiravy, kafe, “henné”,

13-janv-2021

Sample post image

 

 « myrtille », “hibiscus”… Azo anoloana tsara ireny akora simika amidy eny amin’ny mpivarotra ireny ny akora natoraly, sady manana tombony, noho izy ireo tsy ahiana loatra hitarika olana ara-pahasalamana…

Tombony

Ankoatra ny maha-natoraly azy, izay tsy ahitana akora simika mihitsy, dia miasa toy ireny fonosana miaro ny volo ireny ny fandokoana azy amin’ny zava-maniry. Ny faritra ivelan’ny volo fotsiny ihany no mantsy ipetahan’ny loko. Mampiravona ny lokom-bolo ho natoraly ihany kao izy ireny. Tsy atahorana hampisy tohina ihany koa anefa ary maharitra ny lokom-bolo.

Fetrany

Ny olana kely amin’ny fampiasana ny lokom-bolo amin’ny zava-maniry dia izy tsy ahafahana mahazo ny lokom-bolo tadiavina rehetra. Tsy afaka manova ny lokom-bolo ho mazava (blonde, marron sns) tanteraka mantsy izy ireny no sady tsy afaka mandrakotra tanteraka ny volofotsy ihany koa. Ankoatra izay, mila maharitra amin’ny fotoana hilonan’ny volo, mba tena handraisany tsara ny loko. Farany, miala tsikelikely ny lokom-bolo, rehefa sasana ny volo.

Fampiasana azy

·         Betiravy : Potsehina ao anaty « mixer » ny betiravy ary afangaro amin’ny menaka voanio. Ahosotra amin’ny volo ary fonosina  “film alimentaire”. Avela hilona mandritra ny adin’ny iray eo ho eo. Dila izay fotoana izay dia kobanina sy tsifirina vinaigitra paoma ny volo.

·         Kafe : Afangaro ao anaty lovia jobo ny menaka voanio sy ny kafe voatoto. Raha efa izay dia arotsaka indray ny vovoka kafe efa nampiasaina. Averina afangaro ary ahosotra amin’ny volo. Fonosina amin’ny “film alimentaire” ny volo, avela hipetraka adin’ny iray fara-fahakeliny vao kobanina.

·         Henné : Rehefa maina tanteraka ny ravin’ity hazo ity dia totoina ho lasa vovoka. Afangaro amin’ny rano mafana mba ho lasa feta mitambatra tsara. Ahosotra amin’ny volo.

 

Tsara ny manamarika fa mba hipetrahan’ny loko tsara dia tokony averina matetika ity torohevitra ity.

 

Nelly-Bri

 

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Karibonetra sy vinaingitra : Manadio ny volo « dreadlocks »
21-janv-2021

Karazana tao-volo iray efa be mpanao eto amintsika ny « dreadlocks » na irony

Card image cap
Maska natoraly, miaro ny volo amin’ny hain’andro
14-janv-2021

Misy fiatraikany ratsy amin’ny volo ny tara-masoandro sy hafanana, tahaka ny

Card image cap
Hodi-doha mangidihidy, izao atao
07-janv-2021

Na tsy dia misy angadrano aza indraindray dia toa mangidihidy ny hodi-doha,

Card image cap
Manatsotra volo, tsy mila « brushing » sy « lisseur »
31-déc-2020

Maro ireo te-hiala amin’ny taovolo mahazatra rehefa fety. Ho an’ireo tsy afaka

Card image cap
Volo makina, matroka…asio vahona sy labiera !
03-déc-2020

Reraka ka mihamakina, mihamatroka, tsy salama mihitsy ny volo rehefa hampiasana “produits”

Card image cap
« Soins » natoraly ho an’ny volo miloko
26-nov-2020

Tena saro-pady ary mora simba ny volo rehefa avy nolokoina ka tsy nisy fikarakarana na « soins » natao taminy.

Voir plus