tia tanindrazana

Parution du Lundi, 25 Janvier 2021


tia tanindrazana

Boisson

“Jus” pasteky : Mamerina hery

Ilaina ny mamerin’aina kely aorian’ny fanaovana fanatanjahantena sy fampihetseham-batana.

13-janv-2021

Sample post image

 

 

 Anisan’ny manampy amin’ny famerenana izany ity zava-pisotro be otrikaina mifototra amin’ny pasiteky ity. Andramo àry !

Akora ilaina 

·        Pasteky mamy 1 (kelikely)

·        Rano na jus paoma  

·        Voasarimakirana 1

·        Vaingana gilasy

·        Ravina menthe

Fikarakarana azy 

Zaraina roa ny pasteky ary tetehina amin’ny halavany.

Alaina ny nofony ary esorina ny voany.

Totoina anaty « mixeur » ary tatavanina.

Ampiana ranona voasarimakirana sy rano na jus paoma.

Atao anaty vera ary rarahana vaingana gilasy.

Haingona amin’ny ravina menthe .

Tombony 

Mety tsara ho an’ireo mpanao fanatanjahantena ity zava-pisotro ity satria ny pasteky dia ahitana rano betsaka ka afaka mamerina ireo rano very nandritra ny fampihetseham-batana. Azo hatao ny misotro azy 30 minitra mialohan’ny fanatanjahantena na 30 minitra aoriana. Manampy ny sela iaina tsara ny fanaovana izany. 

Lalaina Rav 

 

 

Dans la même rubrique

Card image cap
“Jus” natoraly 3, misoroka gripa mahery
20-janv-2021

Ilaina hatrany ny manamafy ny hery fiarovan’ny vatana mba hisorohana amin’ny aretina maro samihafa.

Card image cap
Jus vahona sy mananasy… manadio
06-janv-2021

Ilaina ny mihinana sy fisotro zavatra maivamaivana aorian’ny fety tahaka izao.

Card image cap
Ranona solila sy citron, “detox” mandaitra
05-janv-2021

Rehefa avy nihinana sakafo matsiro nandritra ny fetin’ny Noely teo dia tsara raha diovina ny taova rehetra ao anaty ao,

Card image cap
Manadio taova sy mandoro tavy amin’ny kafe
30-déc-2020

Zava-pisotro iray be mpankafy ny kafe. Ankoatra ny fisotroana azy amin’izao

Card image cap
Laisoa mena : Manala haingana ny tavin-kibo
09-déc-2020

Olona voan’ny diabeta no namorona ity smoothie hatolotra anao androany ity. Mandrindra

Card image cap
Zava-pisotro “détox” mialohan’ny fety
02-déc-2020

Ilaina foana ny manadio matetika ny any anatin’ny vatana mba hanalana ireo loto tavela sy

Voir plus