indrindra natoron’ireo matihanina fa mahomby kokoa ary tsy manimba hoditra raha mitaha amin’ny hareza. Ny tena tsara indrindra dia ny manatona “salon” rehefa manao “epilation”. Azo antoka kokoa iny, ary tsy marary. Ho an’ireo manao « epilation » ao an-trano anefa, ireto misy torohevitra tsara ho fantarina ihany…
Raha hoditra marefo
Raha hoditra somary marefo sy mora tohina dia ireny karazana « cire » somary mivaingana na “cire orientale” ireny no mety. Azo atao amin’ny faritry ny vatana rehetra izy ity, mitsitsy ary azoamboarina ao an-trano. Tsy maintsy mahazo halavàna hatrany amin’ny 3mm kosa anefa ny volo vao tafavoaka ity fomba ity.
Raha te hahazo vokatra maharitra
Raha tiana ho ela kokoa vao maniry ny volo dia « épilation à la cire chaude » no mety. Azo atao an-trano izy fa mila fitandremana tsara. Ahosotra amin’ny faritra esorina volo ilay “cire” nafanaina dia apetaka ilay bandy, andrasana kely dia sintonina. Ho an’ireo tsy te handre marary dia mety izy ity. Maharitra hatrany amin’ny 3 na 4 herinandro kosa vao mitsiry ireo volo satria afaka hatrany amin’ny fotony izy ireo. Mila fotoana sy fiomanana be kosa ny fanaovana azy ity raha ao an-trano satria tokony hafana tsara foana ilay “cire” ampaisaina. Tandremana koa sao mahamay loatra ka hampitsovaka ny hoditra. Mila halavana eo amin’ny 4sm hatramin’ny 6 sm kosa ny volo, hahafahana manatanteraka azy.
Raha maimaika
Miendrika « gel » sy « pâte » ny akora ampiasa raha hanao « épilation à la cire froide ». Io no teknika ampiasaina raha maimaika sy efa manan-traikefa tsara. Tena tsy azon’ireo olona manana olana amin’ny hoditra atao izy ity. Na izany aza, teknika haingana sy pratika ity ity. Apetaka fotsiny ireo bandy dia esorina avy hatrany, ary manala ireo tahirina volo mitady hitsimoka. Maharitra 15 andro hatramin’ny 20 andro tsy misy volo ilay hoditra avy eo. Ny volon-dranjo no tena mety amin’ity pratika ity, saingy tsy dia mety aminy kosa ny faritra marefo toy ny “maillot” sy ny helika.
Torohevitry ny matihanina
Pratika tena saropady ny fanesorana ny volo amin’ny vatana na heverina ho mahazatra aza izy ireny indraindray. Ny tena azo antoka sy tsara indrindra dia eny amin’ny “salon” no manao “epilation”. Io ilay azo antoka foana na eo amin’ny pratika na eo amin’ny fahazoana aina. Hafa ilay hoe karakaraina : vetivety dia vita ary afa-po, tsy marary. Raha ao an-trano dia risika be ny “cire” ampiasaina, ny hafanan’izany sao handoro sy hampitsovaka, ary koa tena reraka sy lany fotoana raha ianao ihany no manao azy, ho an’ireo faritra sasany toy ny “maillot”, na ny helika.
Isaorana i Ambinintsoa Rasoanaivo, estheticienne avy ao amin’ny Beauty And’Ntsoa tamin’ny fiaraha-miasa teto amin’ny Jejoo. Matihanina amin’ny karazana “epilation” rehetra amin’ny vatana izy ireo. Fifandraisana : 033 11 276 98
Ando
Eo amin’ny laingon-tava sy ny tanana no matetika tena mora ipoiran’ireo tasita sy matro-doko. Maromaro ihany no
Akora malefaka no tsara ampiasaina hanaovana amin’ny vatana rehefa mafana ny andro. Eo amin’ny tarehy manokana dia
Sarotra ny fikarakarana hodi-tava mitera-menaka rehefa mafana ny andro. Ny antony dia satria mamoaka menaka
Azo ampiasaina amin’ny lafiny maro eo amin’ny kolo endrika amam-bika ny tanimanga. Be dia be rahateo ny vokatsoa entiny;
Manome vokatra tena mandaitra sy mahafa-po tokoa ny vaingana gilasy rehefa hikoloana hoditra.
Raha miandoha tahaka izao ny taona no mazoto sy tia mikolo endrika amam-bika, dia azo