Fikarakarana
Voasana ny paoma dia esorina ny voany. Tetehina efamira madinika. Andrarahana ranom-boasarimakirana mba tsy hivalo-mainty.
Atsonika ny dibera dia endandasina ao ireo paoma mandritra ny 5 minitra eo. Afo antonony no hampiasaina eto. Andrarahana siramamy 40g eo dia avela hahazo loko malefaka toy ny mihosotra caramel fa tsy hatao mahazo loko matroka kosa. Vonoina ny afo.
Afanaina hatao mahazo maripana 160° ny lafaoro.
Kapohina ny atody sy ny tamenany ary ny ambin’ny siramamy. Rehefa mihafotsy ny fangaro dia alefa ao ny lafarina dia tondrahana ronono tsikelikely.
Hosorana dibera ny lasitra cake dia arotsaka ao ny paty. Alefa ao koa ny paoma. Ampidirina ao anaty lafaoro mandritra ny 50 minitra.
Avela hangatsiaka vao esorina avy ao anaty lasitra. Esorina tsimoramora.
Isaorana i Avotra nanolotra ny nahandro anio.
Maro ireo te-hanana hoho lava saingy tapatapaka foana rehefa mahazo halavana kely.
Akora ilaina Blanc de poulet 6 Voasarimakirana 2 Yaourt tsy mamy 2 Sira sy dipoavatra
Fanaovana azy · Tapaho fohy ilay “faux ongles” · Alonay anaty rano mafana mandritra ny 30 minitra ilay hoho ary esory moramora amin’ny alalan’ny “batônnet” .
Betsaka ireo akora na ambin-javatra ariana fotsiny ao an-trano. Manomboka izao dia fantaro fa ilaina izy ireny.
Akora ilaina : Toton-kena 250g Sakay fanendy 2 toko Menaka Sira sy dipoavatra Pate à beignet vonona
Rehefa vita fety tahaka izao dia reradreraka avokoa ny taova, malaina miasa ny saina sy ny vatana. Etsy andaniny, betsaka ireo sakafo tsy lany kanefa tsy foy ariana, atao ahoana avokoa izy ireny?