Toy ny fanao isan-taona dia ireo manam-boninahitra zandriny no manaitra vao maraina ireo manam-boninahitra zoky amin’ny alalan’ny hetsika toy ny poa-basy manerana ireo toby isan-karazany. Nandray anjara tamin’ny fankalazana ihany koa ny filoham-pirenena Andry Rajoelina izay filoha fara-tampon’ny foloalindahy, tao anatin’ny lanonana notanterahina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Nandritra izany no nanamarihany ny maha-zava-dehibe ny firaisan-kina sy ny firahalahian’ny tafika. Nanamafy ny maha-modely faka tahaka ho an’ny firenena sy ny vahoaka an’ireo manam-boninahitra ihany koa ny filoha Rajoelina nandritra ny fankalazana ny andron’ny 12 janoary omaly. Nandray anjara tamin’ny hazakaza-pirahalahiana niaraka tamin’ireo manam-boninahitra ny filoham-pirenena taorian’izany. Na izany aza, nanamaloka ny andron’ny manam-boninahitra tamin’ity taona ity kosa, ny fodiamandrin’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika an’habakabaka, ny Jeneraly Radonna Ellis Ratiarivelo, izay niseho ny 11 janoary lasa teo.
Ando
Tovovavikely vao 6 taona monja i Faniry. Ny asabotsy maraina teo, hatairana ny an’ny renibeny rehefa nahita ranon’aina teo amin’ny fandrian’ilay zaza.
Vanim-potoana fiandohan’ny taona tahaka izao tokoa no hiheverana sy
Eny amin’ny Urbania Analakely, eny Ankorondrano, ao amin’ny Le colisée Ampasanimalo, ary eny amin’ny By
Raim-pianakaviana iray no naneho ny alahelony sy nitaraina momba ny fomba fiasan’ny
Zazavavikely vao 10 taona monja no nikasa hamono tena, tamin’ny fihinanana fanafody maro be vokatry ny herisetra mahazo
Vehivavy iray 41 taona no niharan'ny fanolanana faobe nataona zatovolahy miisa 5 ny alin’ny 31 desambra teo tokony ho tamin'ny 09 ora teo,