Jejoo

Dans la même rubrique

Eye-liner : Inona no manendrika ny masonao?

17/07/2019

Manana ny fitsipika sy ny lalànany koa ny fanosorana ny « eye-liner ». Tokony atao manaraka ny firafitry ny maso izany mba hitondra fanovàna amin’ny tarehy.

 Lire la suite...

Mampirongatra mony ny rarin-tsaina …

15/07/2019

Marobe ny antony mety hahatonga ny mony hipoitra eo amin’ny tarehy. Ny rarin-tsaina na ny “stress”

 Lire la suite...

« Anti-rides » natoraly, azo amboarina ao an-trano

13/07/2019

Azo atao tsara ny manafina ireo kentrona madinika eo amin’ny tarehy. Tsy voatery hividy akora eny an-tsena aza fa afaka manamboatra ny « anti-rides » manokana ho anao ao an-trano.

 Lire la suite...

Mamaritra volomaso mifanaraka amin’ny endrika

12/07/2019

Azo lalaovina sy haingoina hanova ny endrika ny volomaso eo amin’ny handrina. Rehefa hanamboatra volomaso, noho izany dia mila mitandrina tsara, sao mifanipaka amin’ny endrika andrasana no fivoakan’ny tarehy. Na ny endrik’ilay nanamboarana azy, na ny hateviny, dia samy zava-dehibe avokoa. Manana ny lamaodiny koa anefa izy ireny.

 Lire la suite...

« Pédicure » tsotra kely vita ao an-trano

11/07/2019

Na ririnina aza ny andro ka somary tavela ny kapakapa mampiseho tongotra, dia tsy maintsy kolokoloina foana ny tongotra. Azo atao tsara ny mikolokolo azy ao an-trano, na ireny antsoina hoe « pédicure » ireny. Dingana 3 ireto atoronay anao ireto.

 Lire la suite...

Ireo sakafo 5 mana-antitra haingana be

10/07/2019

Isan’ireo fambarana havizanana mitarazoka ny firorahan’ny tarehy, ny fiovan’ny lokony ho lasa matroka, ny kentrona, sy ny maro hafa.

 Lire la suite...

Mahay misafidy menaka tarehy

09/07/2019

Miantoka ny fahasalaman’ny hodi-tava sady mitazona ny hatsaran’ny tarehy tsy ho antitra aloha loatra ny fanadiovana azy isan’andro sy ny fanosorana menaka manamandina. Raha vao diso safidy anefa amin’ny fifantenana izay menaka tarehy ahosotra, dia simba tsikelikely ny tarehy.

 Lire la suite...

Beauté

Manala « vernis permanent » ao an-trano …

18/06/2019

Mateza kokoa eo an-tanana sady manjelatra hatrany ny « vernis permanent » na « semi-permanent » raha ampitahaina amin’ireo « vernis » tsotra sy mahazatra ny maro hatramin’izay

 

. Hatramin’izay dia any amin’ilay « salon » nametahana azy ihany no hanesorana azy ireny afaka 3 herinandro eo. Manomboka izao kosa anefa dia efa azo atao ny manala izany mora foana ao an-trano raha manana ireto fitaovana ireto ianao …

Akora ilainao hahafahana manao izany

-         Dissolvant misy “acetone”

-         Vovon-dandihazo

-         Papier aluminium

-         Fonon-tanana

 

Dingana arahina

-         Vontosana “dissolvant” ilay vovon-dandihazo. Fonosana an’izany ny hoho avy eo, ary saronana amin’ilay  « papier aluminium” atao mihenjana tsara. Atao toy izay avokoa ny hoho tsirairay ary dia fonosina amin’ilay “gant” na fonon-tanana ny tanana iray manontolo avy eo.

-         Avela hihiboka ao mandritra ny 15 na 20 minitra eo.

-         Ao aorian’izay dia esorina amin’izay ary sintonina mora foana tsirairay avy ireo vovon-dandihazo amin’ny hoho. 

-         Sasao madio ny tananao avy eo, ary hamandino ny tanana. Hosory akora miaro sy mamelombelona azy kosa ny hohonao.

 

Ando

 

 

 

 



 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo