Jejoo

Dans la même rubrique

Eye-liner : Inona no manendrika ny masonao?

17/07/2019

Manana ny fitsipika sy ny lalànany koa ny fanosorana ny « eye-liner ». Tokony atao manaraka ny firafitry ny maso izany mba hitondra fanovàna amin’ny tarehy.

 Lire la suite...

Mampirongatra mony ny rarin-tsaina …

15/07/2019

Marobe ny antony mety hahatonga ny mony hipoitra eo amin’ny tarehy. Ny rarin-tsaina na ny “stress”

 Lire la suite...

« Anti-rides » natoraly, azo amboarina ao an-trano

13/07/2019

Azo atao tsara ny manafina ireo kentrona madinika eo amin’ny tarehy. Tsy voatery hividy akora eny an-tsena aza fa afaka manamboatra ny « anti-rides » manokana ho anao ao an-trano.

 Lire la suite...

Mamaritra volomaso mifanaraka amin’ny endrika

12/07/2019

Azo lalaovina sy haingoina hanova ny endrika ny volomaso eo amin’ny handrina. Rehefa hanamboatra volomaso, noho izany dia mila mitandrina tsara, sao mifanipaka amin’ny endrika andrasana no fivoakan’ny tarehy. Na ny endrik’ilay nanamboarana azy, na ny hateviny, dia samy zava-dehibe avokoa. Manana ny lamaodiny koa anefa izy ireny.

 Lire la suite...

« Pédicure » tsotra kely vita ao an-trano

11/07/2019

Na ririnina aza ny andro ka somary tavela ny kapakapa mampiseho tongotra, dia tsy maintsy kolokoloina foana ny tongotra. Azo atao tsara ny mikolokolo azy ao an-trano, na ireny antsoina hoe « pédicure » ireny. Dingana 3 ireto atoronay anao ireto.

 Lire la suite...

Ireo sakafo 5 mana-antitra haingana be

10/07/2019

Isan’ireo fambarana havizanana mitarazoka ny firorahan’ny tarehy, ny fiovan’ny lokony ho lasa matroka, ny kentrona, sy ny maro hafa.

 Lire la suite...

Mahay misafidy menaka tarehy

09/07/2019

Miantoka ny fahasalaman’ny hodi-tava sady mitazona ny hatsaran’ny tarehy tsy ho antitra aloha loatra ny fanadiovana azy isan’andro sy ny fanosorana menaka manamandina. Raha vao diso safidy anefa amin’ny fifantenana izay menaka tarehy ahosotra, dia simba tsikelikely ny tarehy.

 Lire la suite...

Beauté

Fomba 4 mahatsara tarehy lalandavaFomba 4 mahatsara tarehy lalandava

12/06/2019

Ny vehivavy rehetra dia te hanana tarehy tsy misy tomika mandavan-taona avokoa.

 

 Ahoana no atao hahazoana izany ary ahoana no hitazonana ny hatsaran’ny hodi-tava iray tsy manana olana ? Indro ny torohevitra tokony ampidirina ao anaty fahazarana mikolo tarehy, mba hahatonga ny hodi-tavanao ho tsara kalitao manmandrakariva.

1.      “Maquillage” tsy manentsina mason-koditra

Rehefa manao haingon-tava  ianao dia tsy tokony hanentsina ny mason-koditrao izy ireo fa mamela azy hiaina malalaka tsara. Raha tsy izay dia hihombo ao ny tsy fahatomombanan’ny tarehy ary lasa hanimba sy hanaratsy ny endrikao tsikelikely ireo haingon-tava fanaonao isan’andro.

2.      10 minitra isa-kerinandro ho an’ny maska

Manokàna 10 minitra isa-kerinandro hikoloana ny tarehy. Maska manadio sady mikolo no ampiasaina. Sady manome aina azy izany no mamelombelona ihany koa.

3.      Akora mifanaraka amin’ny tarehy ihany

Fantaro ny sokajin-koditrao. Izay mifanaraka aminy sy mety aminy ihany no ampiasao. Isa-maraina dia amandino ny tarehy ary arovy amin’ny masoandro raha hivoaka. Ny alina indray, dia diovy ary koloy arakaraky ny filàny sy ny lesoka eo aminy. Tarehy madio, malefaka sy malandina isan’andro no tanjona.

4.      Mialohan’ny hatory, diovy foana ny tarehy

Ity dingana ity dia isan’ireo dingana fototra mihitsy. Diovy foana ny tarehinao mialohan’ny hatory. Aza entina matory ny loto nangonina nandritra ny tontolo andro, satria amin’ny alina no fotoana fihavaozan’ny hoditra. Rehefa madio sy mandina ny tarehy no entina matory, dia mora ho azy ny mihavao sy mihatsara. Manampy azy koa ny fakanao aina sy hery azo avy amin’ny torimaso ampy.

 

Ando

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo