Jejoo

Dans la même rubrique

Eye-liner : Inona no manendrika ny masonao?

17/07/2019

Manana ny fitsipika sy ny lalànany koa ny fanosorana ny « eye-liner ». Tokony atao manaraka ny firafitry ny maso izany mba hitondra fanovàna amin’ny tarehy.

 Lire la suite...

Mampirongatra mony ny rarin-tsaina …

15/07/2019

Marobe ny antony mety hahatonga ny mony hipoitra eo amin’ny tarehy. Ny rarin-tsaina na ny “stress”

 Lire la suite...

« Anti-rides » natoraly, azo amboarina ao an-trano

13/07/2019

Azo atao tsara ny manafina ireo kentrona madinika eo amin’ny tarehy. Tsy voatery hividy akora eny an-tsena aza fa afaka manamboatra ny « anti-rides » manokana ho anao ao an-trano.

 Lire la suite...

Mamaritra volomaso mifanaraka amin’ny endrika

12/07/2019

Azo lalaovina sy haingoina hanova ny endrika ny volomaso eo amin’ny handrina. Rehefa hanamboatra volomaso, noho izany dia mila mitandrina tsara, sao mifanipaka amin’ny endrika andrasana no fivoakan’ny tarehy. Na ny endrik’ilay nanamboarana azy, na ny hateviny, dia samy zava-dehibe avokoa. Manana ny lamaodiny koa anefa izy ireny.

 Lire la suite...

« Pédicure » tsotra kely vita ao an-trano

11/07/2019

Na ririnina aza ny andro ka somary tavela ny kapakapa mampiseho tongotra, dia tsy maintsy kolokoloina foana ny tongotra. Azo atao tsara ny mikolokolo azy ao an-trano, na ireny antsoina hoe « pédicure » ireny. Dingana 3 ireto atoronay anao ireto.

 Lire la suite...

Ireo sakafo 5 mana-antitra haingana be

10/07/2019

Isan’ireo fambarana havizanana mitarazoka ny firorahan’ny tarehy, ny fiovan’ny lokony ho lasa matroka, ny kentrona, sy ny maro hafa.

 Lire la suite...

Mahay misafidy menaka tarehy

09/07/2019

Miantoka ny fahasalaman’ny hodi-tava sady mitazona ny hatsaran’ny tarehy tsy ho antitra aloha loatra ny fanadiovana azy isan’andro sy ny fanosorana menaka manamandina. Raha vao diso safidy anefa amin’ny fifantenana izay menaka tarehy ahosotra, dia simba tsikelikely ny tarehy.

 Lire la suite...

Beauté

Crème dépilatoire : Tsy manimba hoditra ve ?

11/06/2019

Akora fampiasa amin’ny fanalana volo ny “crème dépilatoire”. Tsotra fampiasa izy itony, efa maro karazana rahateo eny an-tsena, … fa ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe ahoana no fampiasa azy ? Inona no tena tsara ? Tsy atahorana amin’ny hoditra ve ? …

 

 

 

Tsotra kely

Tsy tahaka ny fiasan’ny « cire » ny fiasan’ny « crème dépilatoire ». Tsy misintona an’ilay volo hatrany amin’ny fakany ao anaty hoditra mantsy ny « crème » fa mampitsonika azy sy manendaka azy mora foana mandritra ny minitra vitsy noho ireo singana Soufre ao anatiny . Miasa amin’ireo Keratine amin’ny tahom-bolo izy noho izany.   Tsy misahirana sy mandany fotoana araka izany ny fampiasana azy fa ahosotra ilay akora, avela hiasa  dia esorina avy eo.  

Ahoana ny fampiasana azy ?

Ahosotra eo amin’ny hoditra maina ilay « crème dépilatoire ». Avela hipetraka eo mandritra ny minitra vitsy izay efa voatondro eo amin’ilay fonosana misy azy, mba hiasa amin’ireo volo.  Ao aorian’izay dia esorina amin’ny alalan’izay fitaovana efa miaraka aminy, na amin’ny « gant de toilette » madio fotsiny ireo « crème ». Kobanina amin’ny rano mangatsiaka. Hamandinina amin’ny « lait hydratant » na akora fanosotra ao aorian’ny fanalana volo.   Fadiana ny mampiasa akora maherisetra na misy alikaola. Raha mahatsiaro mahamaivay kosa eo amin’ny hoditra dia hamarino fa mety tsy nanaraka an’ilay fe-potoana nandomanana azy izay, ny namelanao azy teo ka kobano avy hatrany.

Tombontsoa entiny

Tombony lehibe azo amin’ny fampiasana ny « crème dépilatoire » ny tsy fandrenesana fanaintainana rehefa manala volo aminy, toy izay mitranga amin’ny fampiasana “cire”. Maharitra ela vao mitsiry indray ireo volo fa tsy toy ny avy nampiasana hareza, ary malandina tsara foana ny hoditra. Tsy miha-matevina na miova kalitao koa ny volo rehefa maniry. Raha telo andro no maniry ny volo nesorina tamin’ny hareza dia any amin’ny 10 andro na mahery any ho any vao mitsiry ny volo nesorina tamin’ny “crème depilatoire”.

Mety tsy ho zakan’ny hoditra

Arakaraky ny sokajin-koditra ny “crème dépilatoire” mifandraika aminy. Izany hoe, tsy voatery ho zakan’ny hafa, ny « crème » fampiasanao. Tsy maintsy jerena mba hifanaraka amin’ny sokajin-koditra izy noho izany. Ankoatra izay, mety hahery setra amin’ny hoditra koa izy itony : raha vao mahare mahamaivay na mangidihidy dia aleo kobanina avy hatrany.

Ando

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo