Jejoo

Dans la même rubrique

Iary : Mahay mofomamy, mamorona akanjo, manaingo trano koa

08/11/2018

Mpiangaly ny gadona « rock » no tena ahafantarana an’i Iarilaza Rakotondrasoa, na Iary. Mampiavaka azy ny feony garagara sy matanjaka, izay tsy nandiso azy teo amin’ny fisafidianana ny mozika lalaoviny. Ankoatra ny mozika anefa dia manan-talenta marobe i Iary. Araho ange e !

 Lire la suite...

Ari Nao Namoaka hira vaovao “Vazah’Gasy” koa

25/10/2018

Vao roa taona monja i Ari Liarinandrasana na Ari Nao dia efa niala teto an-tanindrazana. Tsy mandalo matetika aty Madagasikara izy ary fotoana fohy fotsiny no hijanonany rehefa tonga eto ny tenany. Na izany aza, miampita sy efa ren’ny maro kosa ny sangan’asany, any anaty tambazotra sosialy sy aterineto any.

 Lire la suite...

Sacha Bam Bam: Mpihira “mahasaky” amin’ny famoronana didin’akanjo

11/10/2018

Ao anatin’ny sehatry ny mozika no ahafantarana an’i Fenoarisoa Natacha na Sacha Bam Bam. Talenta efa ananany sy zarainy amin’ireo mpankafy azy ihany koa anefa ny famoronana didin’akanjo.

 Lire la suite...

Bôlô : Ireo tsiaro nanamarika azy tany an-tsekoly

05/10/2018

Nitady fomba ahafahana mamerin-desona amin’ny alalan’ny hira ry Bolo sy ny namany ka niforona ny “Clash Bacc”.

 Lire la suite...

Bodo : Nobaingoiny tao anatin’ny ora 3 ny 30 taona nolalovany

01/10/2018

Hafaliana, hiakiaka, tsiky, tomany ary fiaraha-mihira…

 Lire la suite...

Bodo : Efa mangotraka ny nahandro hatolotra amin’ny alahady

28/09/2018

Efa mangotrakotraka ny fanomanana ny seho izay ho tanterahin’i Bodo amin’ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina Mahamasina.

 Lire la suite...

Bodo : Ny rahavaviny ihany no mampiakanjo azy

26/09/2018

Andeha indray isika hiresaka mahakasika ny akanjo fanaon’i Bodo eny an-tsehatra. Seho iray, ankoatra ny efa atolony mihitsy mantsy ny fitafy hanaovany.

 Lire la suite...

Star

Edwin Inki, Mister Malagasy 2018 any Frantsa : Hanampy ireo ankizy eto Madagasikara

12/04/2018

Nandresy tamin’ilay fifaninana “Miss et Mister Malagasy 2018” i Edwin Inki. Tsy nieritreritra ny handray anjara tamin’ity fifaninana ity mihitsy izy, tsy natoky tena firy ihany koa. Rehefa notohanan’ireo manodidina azy anefa izy dia tapa-kevitra ihany. Nody ventiny izany finiavana nananany izany ka izao izy nibata ny amboaran’ny“Mister Malagasy 2018” izao.

 

Mbola tokan-tena

Tera-tany Malagasy, avy any amin’ny faritr’i Toamasina, ireo ray aman-drenin’i  Edwin Inki. Teraka tao Nîmes Frantsa kosa izy,  ka izay no nahafahany nandray anjara tamin’ity fifaninana ity. Na tsy nieritreritra ny haharesy aza izy dia nanana 10 volana kosa niomanana tamin’izany. Nanao izay ho afany rehetra i Erwin mba hampisy lanja kokoa ny fandraisany anjara, ka natoky tena tanteraka izy, taorian’izany, rehefa tonga ny famaranana. 21 taona ny tovolahy, mirefy 1m sy 84 izy,  izao lany ho “Mister” izao  ary mbola tokan-tena. Manintona azy ireo tovovavy tso-piaina sy tsy be filirony ary mahay manome lanja ny tenany. Tsy miafina kosa nefa fa mahafinaritra azy kokoa ireo tovovavy olioly volo. Reharehan’i Edwin tanteraka ny maha-malagasy azy. Voninahitra ihany koa, hoy izy,  ny fahafahana misolo tena an’i Madagasikara. Dingana voalohany eo amin’ny sehatry ny lamaody, ny “shootings”, ny filatroana rahateo ary indrindra, hahafahany manampy ireo zaza sahirana eto Madagasikara.

Manangana fikambanana

Miara-miasa amin’ireo kandida niara-nandray anjara tamin’ny fifaninana i Edwin ka nanangana fikambanana antsoina hoe : “Zandry Gasy” izy ireo. Tsy ho ela dia ho tafatsangana io fikambanana io, araka ny fanazavan’i Edwin ary amin’ny alalan’izany no hanampian’izy ireo ny ankizy Malagasy eo amin’ny sehatry ny fianarana, ny fanatanjahantena, ny sakafo ary ny fanodinana akora voajanahary. Hanampy azy amin’ny fampivoarana ny fikambanana ny andraikitra maha “Mister” azy ka hanamora kokoa ny fahazoana fanampiana  amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa. Kendrena manokana amin’izany ireo tanora Malagasy monina ao Frantsa, mba hijeren’izy ireo misimisy kokoa ireo tanora mitovy aminy eto Madagasikara.

Manentana ireo tanora any ivelany amin’ny fifanampiana

Ho fanentanana ireo tanora ireo indrindra no nahatonga ny fiaraha-miasa teo amin’ny “Miss et Mister Malagasy 2018” sy ireo mpikarakara ny RNS (Rencontre Nationale Sportive) ao Frantsa. Nanokatra tamim-pomba ofisialy ny hetsika i Edwin,  niaraka tamin’ireo tomponandraikitra maro samy hafa. Fihaonana voalohany niarahany tamin’ny Diaspora Malagasy izany sy nahafahany nitafa ihany koa tamin’ireo mpandray anjara amin’ny fifaninana “Miss sy Mister Malagasy 2019”. Nanomboka ny 5 aprily teo dia misy ny fanangonam-bola hamolavolana ireo tetikasa rehetra kasain’ny fikambanana hotanterahina. 

Manana fikasana ny ho avy eto,  tsy ho ela

Amin’ny volana mey sy jona moa dia hisy fiarahan’i Edwin miasa amin’ny marika any an-toerana, ka izy no ho masoivohon’izany marika izany. Efa ao anatin’ny fikarakarana ny fifanarahana ho an’ny filatroana tokony hotanterahiny amin’ireo volana ireo ihany koa izy. Ankoatra izay dia manana eritreritra ny ho avy eto Madagasikara tsy ho ela i Edwin Inki. “Tamin’izaho telo taona no tany Madagasikara farany, hoy izy,  saingy toy ny vao omaly izany. Mbola ato an-tsaiko foana ireo sary sy ireo endrika hitako, na dia efa nihalehibe aza aho”.

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo