Jejoo

Dans la même rubrique

Hoho mora tapaka, tsy mety lava … toy izao ny fikarakarana azy

12/10/2018

Fantaro fa azo atao ny manatsara ny hoho tapatapaka, maina, mavomavo… . Misy ny fomba fikarakarana manokana ilain’izy ireny. Miainga amin’ny fandrindrana ny sakafo hanina, ny fanamandinana an’ilay hoho, ary ny fanadiovana azy no hahafahana manova azy tsikelikely. Araho ireto torohevitra ireto.

 Lire la suite...

« Epilation au fil » : idealy hanesorana ireo volo eo amin’ny molotra, maso, takolaka…

11/10/2018

Ny teknika fanalana volomaso amin’ny alalan’ny kofehy no isan’ireo fomba antitra indrindra amin’ireo fanalana volo. Avy any Inde tany no niandohan’izy io ka ny volomaso sy ny volom-bava na ireo karazana volo eo amin’ny tarehy no tena tsara indrindra esorina amin’ny alalany. Mahatsara rafitra ny volo maniry, mandaitra sady maharitra ary tsy andaniam-bola mihoatra noho ireo teknika hafa. Nanatona matihanina amin’ny fanaovana ity « epilation au fil » ity izahay …

 Lire la suite...

Firy andro no afaka ny tasitasy, kentrona… raha mampiasa “produits” ?

10/10/2018

Ilàna faharetana ny fampiasana akora fanao amin’ny tarehy, hoy ireo matihanina eo amin’ity sehatra ity. Arakarak’ilay fahavoazana nahazo ny hodi-tava anefa no iankinan’izany. Mialohan’ny hampiasanao akora iray dia tokony ho fantatrao ny fe-potoana hiasany, mba hahafahanao mitombin-tsaina tsara amin’ny fanohizana azy.

 Lire la suite...

Teknika fikolokoloana ny tenda mba tsy hikentrona

09/10/2018

Faritra azo itarafana ny fandrosoan’ny taona ny tenda, raha vao tsy voakarakara. Tandremo anefa fa tsy noho ny taona ihany no tokony hikarakarana azy io fa raha vao miavaka amin’ny endrika ny toetry ny tenda dia hanaratsy endrika anao ihany koa izany. Teknika roa no tokony hikarakarana ny tenda. Atoronay anao izany…

 Lire la suite...

Rahoviana no tokony hampiasa « crème de nuit » ny vehivavy ?

08/10/2018

Tsy mahazatra ny vehivavy malagasy loatra ny mampiasa akora mikolo hodi-tava fanosotra amin’ny alina.

 Lire la suite...

Teknika fikolokoloana ny tenda mba tsy hikentrona

05/10/2018

Faritra azo itarafana ny fandrosoan’ny taona ny tenda, raha vao tsy voakarakara. Tandremo anefa fa tsy noho ny taona ihany no tokony hikarakarana azy io fa raha vao miavaka amin’ny endrika ny toetry ny tenda dia hanaratsy endrika anao ihany koa izany. Teknika roa no tokony hikarakarana ny tenda. Atoronay anao izany…

 Lire la suite...

“Gommage” voasarimakirana, mahasolo akora lafo vidy

04/10/2018

Azo ampiasaina hikoloana ny tarehy ny voasarimakirana, ary azo hanaovana “gommage” ho an’ny tarehy, ny tanana ary ny vatana manontolo mihitsy.

 Lire la suite...

Beauté

“Maquillage” maneva ny mainty hoditra …

14/04/2016

Manana fahazarana hanao izay hamparevaka be ny tarehiny matetika ny olona mana hodi-tava somary maintimainty, na mangamanga. Tsy voatery ho izany foana anefa no manendrika, fa misy fomba manokana mihitsy, natao hikoloana sy hametrahana ny haingon-tava, ho an’ireo vehivavy manana hoditra manopy matroka.

 


Tsara kalitao

Ela kokoa vao miroraka sy mikentrona ny hoditra mainty, raha mitaha amin’ny hoditra mazava. Na izany aza nefa dia mety ho lasibatra amin’ny tsy fahatomombanana maro karazana izy ireny, raha toa ka tsy voakarakara, na tsy mahavita manara-maso akaiky ny fahasalamany. Mazàna koa anefa no mora mitera-menaka ny hoditra matro-doko. Noho izany rehetra izany, ilaina fantarina sy fotorina tsara ny olan’ny hoditra, ny filàny, ny akora mety sy ireo tsy mifanaraka aminy, mialohan’ny hanaingoana azy. Rehefa voafehy tsara ireo, dia mora kokoa ny manaingo azy.

Fanaingoana mety aminy

Raha misy pentimpentina ilay tarehy (mony, tasy, loko tsy mitovy, …) dia ilaina be mihitsy ny manosotra “fond de teint” . Hitovy tantana tsara ny tarehy amin’izay fotoana izay, no sady tsy dia ho tazana be ihany koa ireo lesoka madinika ireo. “Fond de teint correcteur” no tsara ampiasaina. Raha efa izay dia somary hosorana “crème matifiante” kely, na ireny menaka miaro ny tarehy mba tsy hangirana ireny. Raha somary sarotiny ilay karazan-koditra dia aleo asiana “poudre compacte” kely indray eo ambonin’ilay crème teo. Mila fitandremana tsara anefa, fa tsy avy dia ahosotra in-dray miaraka ireo akora ireo. Tsy maintsy atao mahazo toerana tsara ilay akora teo aloha, ary andrasana 3 hatramin’ny 5 minitra vao apetaka ny manaraka. Ho an’ny molotra dia mety tsara avy hatrany ny “gloss”. Ny maso kosa indray, na efa mainty aza ny hoditra, dia maneva azy foana ny “mascara”. Tsara foana koa raha arahina “crayon” kely ireto farany, mba hanendrika tsara.

Ampifanarahana ny lokona manjamaso

Mora ny mampihaingo hoditra mainty, satria saika mety aminy avokoa ny loko rehetra. Na izany az, dia izay loko mifanakaiky indrindra amin’ny lokon-tava no kendrena, mba tsy ho hita misongadina loatra fa nanao haingon-tava ianao. Rehefa mifidy azy, dia izay manakaiky kokoa  ny lokon’ny tratra sy ny tenda no safidiana. Fadio kosa ny “fard à paupières “matroka loatra, tahaka ny volon-tany, satria ho lasa maizina be loatra ny tarehy. Ho an’ny molotra no tena tsara, raha mena matroka, na volon-tany mangirana notsindriana “gloss”. Rehefa mampihaingo tarehy matro-doko dia imasoy ny eo amin’ilay faritra antsoina hoe : “zone T”, miainga eo amin’ny handrina, mihazo ny tetezan-korona ary mipaka any amin’ny saoka, izay ahiana hety hangirana. Ankoatra io faritra io dia imasoy koa ny molotra, mba hisongadina mahafatifaty.

 

Ando

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo